Ambila Lemaitso sy ireo toerana manodidina azo tsidihana ( malagasy version )
Ankoatra ny filomanosana ao amin’ny Canal des Pangalanes sy ny filalaovana eo amoron-dranomasina dia betsaka ireo toerana azo tsidihana sy hitsangantsaganana manodidina an’Ambila Lemaitso. An’isan’ireo toerana mahafinaritra: Rasoabe, Anjanaborona, Ambinanimaty, Andovovao, Ambodiampaly, Andovoranto, Rianila sns.
- Farihy Rasoabe, Manambato, Vavony:toerana azo hilomanosana tsara ( tandremo ny riaka sy ny rivotra mahery), azo hisakafoanana ( pique nique ), mandeha sambo na lakana misy motera, toerana azo hanjonoana. Misy Hotel sy toerana afaka hilasiana ( camping).
- Canal des Pangalanes:an’isan’ny toerana mahafinaritra indrindra ny mitety iny Canal iny.
- Anjanaborona:toerana ery ampitan’ny tanan’Ambila. Mandeha tongotra na mandeha lakana na vedette no mankeny.
- Terrain d’aviation taloha:mandeha tongotra, betsaka ny karazana orchidées amin’iny toerana iny.
- Ambava-kanala ( Andavakimena ):toerana filomanosana tsara. Tsy dia be olona. Toerana ao ambadiky ny Pont Bailey rehefa iditra ny Bac. Rano mandeha ary somary mangitsy ny rano indraindray.
- Andovovao:tanàna manamorona ny Canal des Pangalanes ( atsimo andrefana ). Mpanao asa tànana no betsaka.
- Ambodiampaly, Ambodivoara:Toeram-pambolena vzary sy voahangy ( voasary) . Mandeha tongotra raha hitsidika ny toerana. Mpanao asa-tànana sy mpanefy vy ary famokarana Canelle, Noni.
- Ambinanimaty: Toerana atsimon’ny Andavakimena. Misy ranomafana ( geyser ) ny dobo ao ( Canal des Pangalanes ). Afaka mandeha tongotra, na lakana na sambo haingam-mpandeha (vedette) raha hitsidika ny toerana.
- Andovoranto sy ny “Embouchure”: Mifanenana ny ranomasina, ny renirano Rianila ary ny Canal des Pangalanes amin’io toerana io. Toerana be hazandrano maventy. Misy Hotel azo atoriana tsara. Tsy dia mety ny milomano sy mandeha lakana raha tsy mahay tsara ny toerana.
Tsara ho marihina fa raha manam-paniriana handeha amin’ireo toerana ireo ianareo dia:
- Miaraha amin’ny olona efa mahafantatra tsara ireo toerana ireo sy mahita làlana tsara
- Fadio ny mitsangatsangana irery ary ny milomano irery an-dranomasina sy ao amin’ny Pangalanes
- Manontania olona momba ny fady sy ny fomban’ny tany